Projet Montagne d’Ambre

Jiøí Bálek
Pavel Hošek

Tany tokana tsy manam-paharoa i Madagasikara. Tsy misy ireo tany mitovy aminy eto ambonin’ny planeta na dia iray aza. Na dia tsy mifanalavitra firy amin’ny kontinanta afrikana aza izy, kely ireo fomba iraisany sy itovizany.
Amin’ny maha-olombelona dia manintona ny fahasamihafana. Ny mponina eran-tany dia manana ny fomba fijeriny manokana an’i Madagasikara ho toy ny nosy kanto sy mahavariana ary mahagaga. Inona no anton’izany? Inona no mampiavaka an’i Madagasikara ary tsy hitovizany amin’ireo tany manodidina azy? Moa ve mitahiry zava-miafina na toetra izay hiavahany manokana ka tsy hananan’ireo tany hafa izy?
Eny. Manana zavatra izay tsy hita na ao Afrika, na any Azia, na any Eropa na any Aostralia eny fa na dia any Amerika aza i Madagasikara. Zavatra tsy ho hitanareo na dia ao amin’ny nosy very voadidin-dranomasina aza. Ny harena izay nampalaza an’i Madagasikara eran-tany dia ny zavaboary.
Ho lavinareo izany satria hiteny angamba ianareo hoe: ao amin’ireo tany izay voatanisa etsy aloha koa anie dia ahitana zavaboary. Marina izany, kanefa etsy hakana ohatra ho fanampim-panazavana: raha any Tanzania ianao dia afaka mahita elefanta. Ireo toerana mety ahitanao io biby goavana io dia tsy ao amin’io toerana io ihany, fa na ao Kenya, Ouganda, na dia ao Zimbabwe sy Zaire koa aza. Kanefa ny lémuriens (amboanala) dia tsy ho hitanao afa-tsy ao Madagasikara. Izany no mahatonga an’i Madagasikara ho tany miavaka.
Ny zavaboary, ny zavamaniry sy ireo zavamananaina, no fototry ny harenan’izany „Nosy lehibe“ ao amin’ny oseana indiana izany. Zava-dehibe tokoa ny mitandro sy miaro ny harena sarobidy. Saingy tsy voahaja izany manoloana ny fanombana isan-karazany ataon’ny mponina.
Ampahany betsaka amin’ireo velaran-tany misy ala dia ngazana sy may, ary ny ankamaroan’ireo biby izay hita ao Madagasikara dia tsy mitsahatry ny mihena isa, ary dia miha-lany taranaka mihintsy aza. Miharava ary mihalevona tsikelikely ny harenan’ny malagasy ary manambana ny fahaverezany. Mbola misy anefa ireo lalana izay azo hanarenana izany. Anisan’izany ny fiarovana ireo toerana izay ahitana ireo zavaboary tsy voadika izany hoe: voatahiry amin’ny maha-izy azy ka tsy voasedran’ny asan-tanan’ny olombelona. Saingy tsy ampy anefa izany. Amin’ireo toerana voaringana dia ilaina ny fanavaozana sy ny fanamboarana. Ilaina vola, herin-tsandry ary koa fotoany izany. Asa vita an’ora ny mandoro ala, saingy ny mamorona vaovao dia maharitra taona maro ary dia tsy hitovy amin’ny teo aloha mihintsy. Ny olona tsirairay izay mikapa na mandoro ala, dia tokony hanonitra izany amin’ny alalan’ny fambolena hazo vaovao.
Na dia manokana vola sy mandray anjara amin’ny fanavaozana ny zavaboary simba aza ny governemanta malagasy dia mbola tsy ampy izany. Manampy azy amin’ny fanantontosana ny fikasana ireo fikembanana iraisampirenena isan-karazany. Anisan’ny fikambanana malaza izay manampy an’i Madagasikara amin’ny fiarovana ny zavaboary WWF - Fonds mondial pour la protection de la nature sauvage, mitondra ny marika famantarana manokana panda mainty sy fotsy. Ankehitriny dia miparitaka eran-tany ireo mpiasa mpandraharahan’ny WWF, ary anisan’ireo firenena iandraiketany i Madagasikara. Isaky ny tanana lehibe dia ahitana ny masoivohony, iray anisan’izany ao Antsiranana. Ireo mpiasa ao amin’ny WWF dia tsy mitsahatry ny mitady lalana mba entina hanatontosana ireo vinavina. Jaap Schoorl no mpiandraikitra ny fandehan’ny raharaha sy lehiben’ireo masoivoho.
Faritra efatra no voakasiky ny vinavina mitondra ny anarana „Tendrombohitr’i Ambre“: réserve ao amin’ny alan’i Ambre, saham-pirenena (parc national) ao amin’ny tendrombohitr’i Ambre, réserve manokana ao Ankarana sy Andilamena. Ireo toerana voatanisa atsy ambony dia ahitana ireo karazan-javamaniry sy biby, izay tsy fahita na aiza na aiza eran-tany afa-tsy ao amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara. Miezaka izahay manampy ireo mponina miainamanodidina ny saha ny hitady fomba fivelomana hafa ary hamaha ny olana misy eo an-toerana (mikasika ny fiarovana ny zavaboary), satria taorian’ ny fivoahan’ ny lalana mikasika ny fiarovana ireo faritra tokony ho arovana ny fidirana sy ny fampiasana ireo zava-misy ao anatin’ny faritra voaaro, izay toy ny mahazatra ny mponina teo aloha. Miezaka izahay ny manampy azy ireo amin’ny fambolena voa sy hazo isan-karazany ary amin’ny fomba fampiasana ireo loharano.
synchron 1
Ireo mpiasan’i WWF izay misahana ny saham-pirenena tendrombohitr’i’Ambre dia tsy mitsahatry ny mitandro ny zavaboary mba hitazona maha-izy azy, mba tsy hikapan’ny mponina ala sy hanorona toeram-pambolena, mba tsy hamono ireo amboanala (lémuriens) sy ireo biby hafa. Miezaka ny hanara-maso ny fidirana sy fitsidihan’ireo mpizaha-tany izay mety hanimba ireo zavamaniry sy zavamananaina misy ao anatin’izany ala izany.
Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny mpiasan’ny WWF ny fambolena ala amin’ireo toerana ngazana nisy ala teo aloha manodidina ny saham-pirenena. Ny fototra iorenan’izany fikasana izany dia ny fambolena zana-kazo avy amin’ny voa, ny fikarakarana ny voly mandritry ny fotoana voalohany haniriany, famindrana ireo zana-kazo amin’ny toerana raikitra (manodidina ny saham-pirenena). Farany, afindra amin’ny toerana raikitra ao amin’ny ala mikirihatr’i tendrombohitr’i Ambre ireo zana-kazo.
synchron 2
Ity toerana ity dia voatokana ho an’ny voavoa mitsiry ary ho an’ireo zana-kazo atsy aoriana. Ity voa tazomiko an-tanana ity dia hataoko anaty lavaka ary avy eo totofako tany.
Mamorom-paka ireo zana-kazo, mba ahafahany maka tsiron-tany izay ilaina amin’ny fitomboany. Totofana tany ireo voa, ary ao anatin’ny fotoana voafetra dia mitsiry; rehefa mahatratra ny halava 10 sm ny zana-kazo dia afindra anaty pot ary apetraka amin’ny toerana voatokana. Ny pot misy ny zana-kazo dia nofenoina tany mifangaro zezika (compost: avy amin’ny ravin-kazo maina sy tain’omby izay navela maharitra anaty lavaka). Ao anatin’izany fangaron-tany sy zezika izany no amindrana ireo zavamaniry izay avy nalaina tamin’ny toerana fambolena zana-kazo.
Apetraka amin’ny toerana lavorary ny zavamaniry miaraka amin’ny pot ary rehefa mahatratra 50 sm ny haavony dia afindra amin’ny toerana raikitra voatendry ho volena ala.
Ilaina ny fikarakarana ireo zavamaniry mandritry ny herintaona aorian’ny famindrana. Anisan’izany ohatra ny fanesorana ireo ahitra lava sy zavamaniry hafa isan-karazany izay mety hanelingelina ny fitomboan’ireo zana-kazo.
Ny fifindran-toeran’ireo zana-kazo avy amin’ny toerana mando sy maloka ho amin’nytoerana maina tratry ny masoandro dia manakana ny fivoarany sy ny fitomboan’izy ireo, ary tsy ny zana-kazo rehetra no mahatanty ny fifindran-toerana. Noho-izany, mba hampihena ny isan’ireo zana-kazo maty mandritry ny famindrana toerana azy ireo. dia tokony ho arahina an-tsakany sy an-davany ireo fitsipika mifehy izany.
Ny toerana misy antsika izao dia tendron’i Badesse, toerana izay voavoly ala araka ny fandaharan’asan’ny WWF. Alohan’ny hidirako amin’ny antsimpiriany. dia tiako ny hanao famintinana ireo zavatra hitantsika teo aloha, tao amin’ny toerana fambolena zana-kazon’ny tendrombohitr’i Ambre. Hitantsika tamin’izany ny fomba fambolena zana-kazo: famafazana voa, fitsiriany, ary ny famindrana ireo zana-kazo. Rehefa mahatratra 50 sm ireo zana.kazo (araka ny voalaza teo aloha) dia afindra amin’ny toerana raikitra. Anisan’ny asa lehibe raiketin’ny WWF ny fambolena ala izany toerana izany.
Voalohany indrindra dia alaina ny fikarakarana ireo velaran-tany hamindrana ireo zana-kazo. Alohan’ny hamindrana ireo zana-kazo dia manao lavaka 69 sm ny halaliny ary 60 sm ny savaivo. 1, 10 m ny refin’ny elanelan’ireo zana-kazo aorian’ny famindrana azy ireo amin’ny toerana raikitra. Ity zavamaniry hitanareo ity dia nafindra ho 1 volana izay avy amin’ny toerana fambolena zana-kazo ao amin’ny saham-pirenena.
Tsy mitsaha-mitombo ireo velaran-tany misy ala voadoro sy voakapa. Tsy araky ny mpiasan’ny WWF ny fanatontosana ireo asa, noho izany dia voatery izy ireo mitady lalana hafa entina hiarovana ny zavaboary. Miezaka izy ireo ny hanazava amin’ny mponina eo an-toerana ny olana mikasika ny fiarovana ny natiora, manaporofo ny antony, ary mitady fomba mahomby entina hiarovana azy. Izany rehetra izany dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa mikasika ny fambolena ala. Ao anatin’izany ihany koa ny fiaraha-miasa goavana amin’ny sekoly ao Joffreville. Claudine Be no miandraikitra ny fifandraisan’ny WWF amin’ny sekoly.
Amin’ity toerana fambolena zana-kazo ity no hanantanterahanay ny fikasana mikasika ny tendrombohitr’i Ambre. Mandray anjara amin’izany ny sekoly iray manontolo, ary izahay no manoro azy ireo ny fomba fanomanana ireo toerana hambolena zana-kazo, fikarakarana ireo fitaovana ilaina (ohatra: substrat, récipient), ary farany ny famindrana ireo zana-kazo. Ny lehiben’ny mpamboly zana-kazo no manoro ireo mpianatra ny fototry ny ambaratongan’asa-WWF no miantoka ny fitaovana sy ireo zavamaniry ary ny mpianatra no manatontosa ny asa rehetra. Anisan’ny andraikitry ny ingénieur amin’ny fambolena izai miasa ato aminay ihany koa ny fiarovana ireo zavamaniry amin’ireo aretina sy ny parazita isan-karazany amin’ny alalan’ny fampiasana pesticides.
Telo taona lasa izay no niantombohan’ny fiaraha-miasa amin’ny mponin’i Joffreville amin’ny fanantontosana ny programan’asa tendrombohitr’i Ambre. Eo amin’ny lafiny fivoarana dia miara-miasa amin’ny tantsaha eo an-toerana izahay, miezaka izahay ny manoro azy ireo ny fomba fanatsarana ny fambolena. Nanorona sampana izahay mba entina ampisehoina ireo karazana voly tsara. Asehonay eto ohatra ireo karazana légumes izay mamokatra betsaka, ary ny fomba fambolena azy ireo. Eo anilan’izany dia manoro ireo tantsaha ny ingénieur ny fambolen’i WWF amin’ny fomba fahazoana masom-boly sns... Raha eo amin’ny lafiny fampianarana dia entaninay manokana ny tanora. Hampianarinay azy ireo ny fomba fambolena zana-kazo, ary ny fomba hampiasana izany amin’ny ho avy, satria tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asanay izany: fambolena ala vaovao ny faritra. Entaninay ihany koa ny lehibe, ary dia ezahinay mandrakariva ny manazava amin’izy ireo ny maha-zava-dehibe ny ala: amin’ny alalan’ny fandrarana azy ireo tsy hikapa ny hazo ary tsy hanimba ireo voly ao amin’ny réserve, handresy lahatra ny mponin’i Joffreville mba hitsahatra ny hanimba zavaboary ao amin’ny réserve.
Raha fintinina ny zavatra hita hatramin’izay: ny fivoaran’ny zana-kazo miantomboka amin’ny fitsirian’ny voa, hatramin’ny fotoana izay hahafahany mitombo ary tsy miankina intsony amin’ny herin-tsandrin’olombelona dia toy izao: -famindrana ireo zana.kazo: aorian’ny fitsirian’ny voa, ary afindra amin’ny toerana malalaka tratry ny masoandro. Rehefa mahatratra ny haavo 50 sm vao afindra amin’ny toerana raikitra. Mbola ilana fikarakarana ireo zana-kazo mandritry ny 3 - 6 taona.

èeska verze
francouzská verze


Zpìt na domovskou stránku Pavla Hoška Zpìt na domovskou stránku Expedice LEMURIA
Domovská stránka Pavla Hoška Domovská stránka Expedice LEMURIA